Aller au contenu

Avaratra

Avy amin'i Wikipedia

Ny avaratra dia iray amin' ny vazan-tany efatra sy ny lafin-trany valo. Mifanohitra amin' ny atsimo ny avaratra ary mifampijadona amin' ny andrefana sy ny atsinanana.

Aty amin' ny ila-bolantany atsimo dia ny faritra tandrify ny masoandro mitataovovonana no avaratra, fa raha any amin' ny ila-bolantany avaratra kosa dia ny faritra manandrify ny masoandro mitatavovonana no atsimo. Misy fomba hafa koa ahafahana mamantatra ny vazan-tany, anisan' izany ny avaratra, dia ny fijerena ny kintana sy ny antokon-kintana. Ny tondroavaratra no fitaovana ampiasaina mba hamantarana ny vazan-tany.

Ny teny ilazana ny vazan-tany, na ampiasaina ho anarana na ho mpamari-toetra, dia soratana manomboka amin' ny sora-baventy rehefa tafiditra ao anatin' ny anaran-tsamirery milaza toerana na manondro faritra ara-jeôgrafia, fa manomboka amin' ny sora-madinika raha manondro zotra na todika.

Kolontsaina malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Fanandroana malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Eo amin' ny fanandrana malagasy dia lafin-tany itoeran' ny vintana Adalo sy ny Alohotsy ny avaratra. Lafin-tany itoeran' ny vintana Asombola sy Alahasaty ny atsimo.

Fomba amam-panao

[hanova | hanova ny fango]

Teo amin'ny Ntaolo malagasy raha manonona ny vazan-tany izy dia toy izao no fanaovany izany: tononiny aloha indrindra ny avaratra, izay vao ny atsimo, avy eo ny atsinanana ary faranany amin'ny andrefana. Tsy azo avadika izany filaharana izany fa toy ny mampitsimbadika ny filaminana misy amin'ny tontolo. Ohatra: "Any ianareo zanahary avaratra, zanahary atsimo, zanahary antsiananana, zanahary andrefana".

Araka izany dia samy manana ny filaharany sy ny heviny avokoa ny vazan-tany efatra teo amin' ny fijerin' ny Ntaolo. Ny avaratra anefa no ambony sy manan-danja indrindra amin'izy ireo. Ara-tantara dia tamin' ny andron' Andriamanelo no nanomboka nipetraka tamin' ny tantara ny fanomezana ny mpanjaka nifandimby ny avaratra.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Akondro kely avara-tanàna, ka raha avana manan-tompo.
  • Manao andevolahy ondanam-bady: atao avaratra, mianatsimo loha; atao atsimo, tototry ny kitay.
  • Andevolahy tsy mahatra-drasa: any avara-tanàna vao mingoso anabavy.
  • Efa zatra nahazo, ka rivotra avy avaratra avy no nanjairana sonina hahasiam-balala.
  • Sifotra avaratr' i Namehana, sady sondry no lesoka.
  • Tanim-bomangan' Avaratr' Ilafy, ka ny kotra ihany no avadibadika.
  • Trano atsimo sy avaratra: izay tsy mahalena ialofana.
  • Tsikovo-mainty avara-tanàna: alahelo tsy entin' ny irery.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]