Integrated Taxonomic Information System

Ny Integrated Taxonomic Information System (ITIS) dia fiaraha-miasa amerikana amin' ny sampana federaly natao hanomezana vaovao tsy miovaova sy azo antoka momba ny fanasokajiana ny karazan-javamananaina. Niforona tamin' ny taona 1996 ho vondrona iraisa-masoivoho ao amin' ny governemanta federaly amerikana ny ITIS, izay ahitana sampana federaly amerikana maromaro, ary lasa vondrona iraisam-pirenena ankehitriny, miaraka amin' ny sampana kanadiana sy meksikana mandray anjara.
Miankina amin' ny fikambana-manam-pahaizana manokana momba ny taksônômia ny fahazoana angon-drakitra. Miorina ao amin' ny Smithsonian National Museum of Natural History ny ekipa lehibe misahana ny votoatiny ary omen' ny US Geological Survey (USGS) any Denver ny serivisy IT. Mifantoka indrindra amin' ny karazan-javamananaina any Amerika Avaratra ny ITIS, saingy misy vondrona biôlôjika maro eran-tany ary miara-miasa amin' ny sampana hafa izy io mba hampitombo ny fandrakofana maneran-tany.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://www.itis.gov/